Fitiavana mahery (Njarakelly)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitempo ho anao ny foko,
Ny anaranao foana no antsoiko
Tsy haiko, fa dia nahoana loatra
Noho ianao,ny foko kely tsy hay tohaina te hitraotra.

Nefa fitia tsy ho azo ambara,
fa fitiavana voarara
Hokoboniko ao anatiko ao
ka toa manjary afobe mandoro ahy hatramin'izao.

Dia naleoko nilaozana ianao,
Satria toa lasa fahoriana ho ahy ity fitiavako anao
Ka ianao any, izaho aty
Nefa aho vao mainka mbola tena tia.

Niezaka koa aho hanadino anao tamin'izay olona izay
Saingy indrisy tsy nahomby indray
izy mantsy tsy ianao
Ilay notiaviko hatrizay k'hatramin'izao.

Hany heriko niverina sy nody
Ianao ihany re no antenaiko ho fanafody,
Eny ho faly aho,ho sambatra mihitsy
Raha eo anilanao na dia segondra vitsy!
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
2489 0
Commentaires
hentsnadia ( 04/04/2013 08:11)
ten tsar lotr, sek mtoman a namak azy. mankasitrak e!
Njarakelly ( 10/04/2013 04:58)
misaotra tompoko!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134