Hitia anao mandrakizay (Njarakelly)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro zay aho nivoady,
Fa n’inoninona mianjady,
Dia ho tia anao mandrakizay.
Eny ho tianao aho sombinaiko,
Hatramin’ny farafofon’aiko.

Indrisy, fa ny anao kosa, hay fitia tsy ho mandrakizay,
Fa fahatatairana tao anaty andro iray,
Ka nony nahita hafa vavao,
Dia mora rava sy nandao.

Dia rava teo ilay tantarantsika
Tsy anjara hoy ilay fiteny,
Nefa sahiko lazaina ombieny ombieny
Fa mbola hitia anao aho sombin’aiko,
Hatramin’ny farafofon’aiko.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
2156 0
Commentaires
smanantena ( 15/02/2013 06:46)
Mamaky ilay tononkalo aho dia malahelo mieritreritra ilay tantara, ary efa nahita mitovy @ izany tsy mifanojo ny fitiavana, atao ahoana moa fa fiainana izany
Njarakelly ( 15/02/2013 07:47)
e, atao ahoana tokoa moa é! izay tokoa ilay fiainana.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142