Taratasy ho azy (Njarakelly)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Telma mora, fun 15, sms samy efa natao,
fa toa zara raha maharesaka dia lany fahana ity malalanao,
koa dia naleoko nandray penina sy taratasy,
ka dia hanoratra aho ary tsy hiafiafy.

Ka inona àry ny maresaka sy vaovao?
Salama tsara ve aloha ianao?
Zaho aty mangigina, malahelo sy manembonembona,
Tsy sasatrin’ny manisa andro f’efa te hiverina.

(...)Eh, izao sy ianao ity, tsy maintsy nosarahan’ny elanelantany,
Nefa tsarovy fa amin’ny mangidy tahak’izao no ahitantsika ny mamy,(...)

Ka ahoana, mbola tia ahy ve ianao?
Izao mantsy aty na iray segondra monja aza tsy nanadino anao.
Mino sy manantena tanteraka aho rahavako
fa tsy hadinonao ny fisiako sy ilay fitiavako.

Zay ary loha é, io ny sary farany, Anja, Malala, Sariaka sy Aina
Mpiara-mianatra fotsiny ihany reo f’aza atao mahalasa saina!!!!

Aza manahy, fa ho tafaraka tsy ho ela isika! 586!
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1669 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014