DIARIN-TSORATRA (NofenoinaNatiora)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARIBOLANA SANDRATRA 35 taona manolotra ho anao:

DIARIN-TSORATRA ✍️?

✍️Tsy ho vitan'ny peniko
Raha izy irery no hanoratra
Ary tsy ho vitan'ny teniko,
Ny handrakitra an-tsoratra

?N'y foko koa tsy hahavita
Handoatra n'y aingako mangina
Ary ny taratasy tsy hahita
'reo andalana vakina

?Fa nifamotoana iray
Hampitsimoka diarin'ny
aingan'ny fanahy
Ho tenin-tsaina azo sary

?Teo koa ny FARIBOLANA
NANANDRATRA ny hakanton'ny
soratra sy teny
Dia namondrona poeta

✍️Nampipoitra fihavanana
Hampiaray ny Malagasy
Amin'ny tena tenin-drazana
Anaty kanto maro lafy.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

23 DESAMBRA 2023
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
12 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125