DIARIN-TSORATRA (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARIBOLANA SANDRATRA 35 taona manolotra ho anao:

DIARIN-TSORATRA

✍️Tsy ho vitan'ny peniko
Raha izy irery no hanoratra
Ary tsy ho vitan'ny teniko,
Ny handrakitra an-tsoratra

Ny foko koa tsy hahavita
Handoatra n'y aingako mangina
Ary ny taratasy tsy hahita
'reo andalana vakina

Fa nifamotoana iray
Hampitsimoka diarin'ny
aingan'ny fanahy
Ho tenin-tsaina azo sary

Teo koa ny FARIBOLANA
NANANDRATRA ny hakanton'ny
soratra sy teny
Dia namondrona poeta

Nampipoitra fihavanana
Hampiaray ny Malagasy
Amin'ny tena tenin-drazana
Anaty kanto maro lafy.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

23 DESAMBRA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117