ROA SOSONA (NofenoinaNatiora)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROA SOSONA ??

?'Zay tinazan'ny masoko toa manjavozavo
Tsy nahatazana ny faran'ilay vohitra avo
Fa manganohano sy tafateny irery
Hoe any ambadika any 'zay olo-mampanjeny

?Telina kokoa,mampifaningotra aina
Ny afa-nitia anao,an-tsary tao an-tsaina
F'izao miroa sosona 'zany alahelo 'zany
Fa Sady mitia mangina,no mbola lavi-tany

?Naleoko ihany,mahita anao dia mianjoria
Mihafihafy Kely,manafina Fitia
F'izao Aho toa vonin-talapetraka efa maina
Niala an-tendro-taho fa notsofim-pofonaina

?Naleoko ihany afa-nahita 'lay masonao mijery
Mampamboraka fitia , an'eritreritra miteny
Afa-nahita ny tsikinao rehefa miresaka
Mampitony saina ny feonao malefaka

?F'izao ity ny tanako,mihazona takolaka
Vao nipy koa n'y masoko dia indreo nirotsaka
Ireo ampahan-drano nanamorona
tanaty masoko
Nobanjinin'ilay volana mangasohaso

?Misosona roa 'zany alahelo 'zany
Fa Sady mitia mangina no mbola lavi-tany.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

03 Jona 2024
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
12 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114