ERITRERITRA! (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eritreritra mangina, nisy jiro mitsilopy
Nofinofy mba nanadalo,vinavin'olo-manina
Fahatsiarova ny tiana, maso kely indray mitopy
No nielina ao an-tsaina voadona ianao ka fanina.


Raha sendra ka mandalo, amin'ny molotrao ny anarany
Dia mitamberina ny omaly, ka mirakitra tadidy
Oriory ny ao anaty raha mahatsiaro ny tantarany
Fa miverina indray ireo mamy sy mangidy.


Mampionina ny fo, izay no mety mba ho anao
Làlana tsy azo ialana tsy azo lavina satria:
Ny eritreritra ho azy tsy mba eritrerinao
Ka manaiky ny voasorany, fa izay rehefa tia...


NOFINOFIN'NY SAINA
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1252 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096