FAHATSIAROVANA (nofinofin'ny saina)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHATSIAROVANA

Rehefa akipiko ny masoko roa,
Misy fahatsiarovana iray tsy mba maty.
Ilay bika sy endrika kanto tokoa,
An’ilay zanak’olona mafatifaty.

Haviliko ihany ny saiko rehetra ;
tsy hieritreritra fa ‘ndrao latsapaka,
kanefa aza maika miha-mitoetra
sahala amin’ny sarin’ny tombokavatsa.

Ny bika aman’endrika anao mahaliana,
mahasarika maso, mitondra tsiaro.
Koa nahoana moa aho no tsy ho variana
Ry ilay zana-javatra mahasarom-piharo.

Ny endrikao vita sary hosodoko ;
toa fahatsiarovana anatin’ny saiko.
Dia indro manery ahy mafy ny foko,
Hamboraka zavatra izay mbola tsy haiko.

Dia satriko foana hanembona anao,
Ry ilay zanak’olona mafatifaty.
Ny eritreritro mantsy amin’izao ;
misy fahatsiarovana iray tsy mba maty.

NOFINOFIN’NY SAINA
--------
Lien:
177 1
Fans: tojoninofy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145