VAVAK'ILAY FO MAHANTRA (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Raiko ao ambony.
Mangataka aho re mba hapitony,
ity foko kely
fa mila ho very.
Mahantra loatra
ka mila hitroatra
mitady ny tiany
sy izay mba hiriany.
Kanefa indrisy
fa toa tsy mba misy
ireo 'zay mangoraka!


Hampangino aho re
mba tsy hiteny,
fa miady irery.
Omeo izay ilaiko
sy irin'ny saiko
zavatra tsara
sy mahasalama
ny fo sy fanahy,
izay omena ahy
dia angina aho.


Tsy manery aho anefa
na manao amboletra,
fa ianao mahalala
ny zavatra tsara
sy izay mahasoa
re ry tompo tsitoha
koa dia tanteraho
amin'ny mpanomponao
izay azo atao
sy sitrakao.


Dia misaotra mialoha
re ry tompo tsitoha.
Ry ilay mpamaly vavaka
sy tsy mba manavaka
ity fo kely ontsa
sy efa kotsan'
ireo ranomaso nitambesatra mafy,
ka tena tsy tanty
hatramin'izay
koa misaotra ry Ray
ry Ray 'zay mpiantra
sy mihaino ny vavak'
ity fo mahantra
izay mitalaho
mbola hatramin'izao.
Dia misaotra anao
re Ray be fitia
mpitsinjo ny dia
Amen!
--------
Rohy:
1774 1
Mpakafy: tojoninofy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : nofinofin'ny saina
Nampiditra : tojoninofy
Daty : 10/06/2015 14:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116