IZAHO, I MÔTA KELY, I SEDY (*) (Riantsoa)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga ihany ilay maraina rako-javo-mitambolona;Ireny feom-piarakodia no solon’ora fifohazana.
Efa miandry indray ny adidy amin’ny maha zokiolona,
Solon-dreny hanambitamby, solon-dray hiantsampazana.
Hatanjahina ny saina, dia hanainga amin’izay;
I Sedy kely am-babena, fa i Môta atao an-tanana,
Lolohavina eo an-doha ny sisa rovi-bemiray;
Tapa-pihogo, ariary zato; izay no hany mba fananana
Aiza indray izao no misy ambim-bavan’ny mpiantsena,
Sisasisan’ireo mpanana sy tsy mahay mizara?
Ilay kapoaka atao vilany tsy misaraka amin-tena,
‘Ndrao dia hitsikian’ny vintana hahita tsaratsara.
Raha izao no lasa mpanana….. Eh! Matezà ny aina;
Dia i Môta kely aloha no ampidiriko an-tsekoly.
Jereo ‘reto zanak’olona aterina, alaina,
Fa ry zandry, ny mitsindroka no hany fialam-boly.
Raha mba teo ianao ry Neny, raha mba hitanao ry Dada
‘zahay telo mianadahy, Izaho, i Môta kelinao
Sy i Sedy be tomany; mbola vao mibadabada,
Dia nekeko am-pitsikiana ny kapoka sy anatrao.
Aiza indray no ahitako rovi-damba hotafiana?
Ny an-koditra efa simnba, ny ririnina mamely.
Aiza intsony indray izao nohisy toeran-katoriana
F’efa potiky ny rivotra ilay trano bongo kely.
Tamy handrakotra ny tany indray ny alin’ny ririnina,
Diavolana no jiro, feon’alika no mpandrotsy;
Tonom-bavaka no vetso, nofinofy no fihinina,
Hanatrarana indray ny maraina………...........
RIANTSOA
(*) Vokatry ny sendrasendra ihany raha misy fitovian'ny anarana
--------
Lien:
Catégorie :
Fahantrana - fiainana
Fans:
haraldtohaina