Hadinonay i Madagasikara (Ny Ala Zohimbato)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadinonay ny tantara ka any amin'ny hafa no mitady vahaolana,
Hadinonay ny teny ka ny an'ny vahiny no zary hifotorana;
Na ny alahamadibe, na ny fararano, toa zary hikipiana
Fa ny fomban'ny vaza, no indrahindrainy, sy toa mba hitsikiana

Nefa ny tany mbola eo, ny rà mbola malagasy,
Mbola miandry ny feon'ny fanahy izay mangasihasy
Ny lohataona mbola eo, ny volambitana atsy ho atsy
Fa tsy mahasarika ny saina fa toa efa lany daty

Anarana sisa ianao ry Gasigarako,
Fa hadinonay tanteraka ny mombanao rehetra
Ny fady sy fombanao izay tokony hiadanako
No tsy hiasako saina fa lazaiko misy fetra

Ny Ala Zohimbato
--------
Lien:
21 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0322