Inona ny laokanareo (Ny Ala Zohimbato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsiry avy hatrany ny tsiky malefaka
Raha sendra eny an-dalana mifankahita
Ino vaovao, ino maharesaka
Raha mba nifanojo ka sendra niampita

Inona marina ny laokanareo
Romazava kely sa hen'omby ritra
Toa fanontaniana tsy mateti-piseho
Raha tsy olona akaikin'ny fo izay mivitra

Trondro nendasina sa ravitoto
Anamadinika sa ovy ry Bodo
Mety tsy misy mihitsy fa hoe ranon-tsira
No valin'ilay mari-panontaniana

Indraindray valiany tsiky hoe ilay mahazatra e
Ilay ravibomanga izay nasiana menaka
Tsy hita moa fa izay aloha no tratra e
Mihinana azy tsy mahamenatra

Ny Ala Zohimbato
--------
Rohy:
214 1
Mpakafy: Zohimbato
Hevitra mandeha
ikalamako ( 09/08/2026 21:44)
ndrii, mampahatsiahy ahy ny fiainanay tamin'ny taona 80'. Henjana be ny fiainana nandritra ny Revolisiona sosialista. Matetika tsy mahatody faran'ny volana ny karaman'i neny nefa izy sady lahy no vavy tamin'ny fiainanay.
Ka rehefa hariva ny andro, indreo tokoa mifanontany laoka izahay sy ny mpiray vodirindrina ary matetika izahay roaroa no "manasa tongotra" - hehy. Midika izay fa ron'anana iray toko na ron-tsosety be midabìka izay no mba handemana ilay vary maina mba ho moramora ny hitelomana azy. Rano no betsaka ka azo anasana tongotra mihitsy - sento lalina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115