Izao aho vao tonga saina (Ny Ala Zohimbato)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao aho vao tonga saina,
Fa izaho ilay mihezana hisokatra amin'ny hafatro,
Ilay izaho mitraka, na andro io na volana,
Ilay izaho mitantara ireo kely izay mba takatro,
No tsy zakan-dry zareo ka mahatonga fialonana.

Ny ivelany toa mitsiky, mody mandonkadonka,
Hoe tohizo io fa tsara, ny fahantrana anie ho ringana,
Mody mifalifaly sy milokaloka,
Ay kay maizin-tsaina sy mikaroka ny fingana.

Koa aleo ankombana ny vava, tsy miteny betsaka,
Ny feony ho farina, fa ny fiainanao misosa.
Avelao izy ireo hanenjika sy ho reraka,
Ka ny tanjonao tratrarina, ny fahasoavanao hiavosa.

Ny Ala Zohimbato
--------
Lien:
436 1
Fans: Zohimbato
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0136