Ny maha gasy ahy (Ny Ala Zohimbato)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny maha Gasy ahyTsy ny rehareha ivelany
Na ny bika amam-pitafy
No maha-Malagasy
Tsy ireo teny izay miserana
Ao am-pototsofinao sariaka
No maha-Gasy antsika
Tsy ny sekoseko an-dalana
Amin’ireo fomba amin’izao
No maha-Gasy anao
Fa ao ny tenin-dReninao
Ny fomba amam-panao
Tsy afaka handao
Fa maha-Gasy anao
Dia ny hiram-pirenena
Sy ny maintso, fotsy, mena
Izay tsy mivadidasy
No maha-Malagasy
Ka ny fanahianao mangina
Ny rà anaty mikoriana
Ireo mikoriana sy nandriaka
No maha-Gasy antsika
Ny Ala Zohimbato
--------
Rohy:
Mpakafy:
Zohimbato
