ADY... (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY…..
Mikorontana ny saina, tsy mazava ny lalana,
Toy ny ady tsy hita maso ao anatiko ao.
Ny eritreritra mifamely tsy misy fitsaharana,
Toy ny tadio mandalo tsy misy fiatoana.

Misy feo milaza hoe mandroso,
Fa misy koa misintona hiverina.
Misy fanantenana mibanjina lavitra,
Fa misy tahotra tsy mety miala.

Ady saritaka, tsy fantatra izay fahavalo,
Fa izaho ihany no toa miady amin’ny tenako.
Misy fotoana te handresy,
Fa misy koa te hiala sasatra.

Fa ao anatin’izany korontana rehetra izany,
Mbola misy hazavana kely mamiratra.
Milaza am-pahanginana hoe:
“Mahereza… mbola ho voavaha ihany.”

01.05.2026 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
19 1
Mpakafy: ILAIMAILAKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0132