TSIARO NOVIDINA LAFO (NY Andri-Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMA ( Nodimandry ny alin'ny Talata 03 Septambra 2024 , tamin'ny 12 Ora alina )

Mama a!
Tsy nampoiziko fa lasa ianao .
Ka vahotra ny peniko hanoratra ;
Hitantara ny momba anao .

Reny mba niahantana
Nitosina am-pitiavana ;
Reny niaritra ny mafy ,
Kanefa hita ho nijoro hatrany .

Aiza ireny adiadiantsika ireny
Nananamafy hatrany ilay fitiavana .
Dongidongy nahafanina ....;
Rehefa nisy zavatra niaretako fahiny !

Mama a!
Tsy hisy intsony ireny lasantsika ireny
Ho foana ihany koa ny fahatsiarovako ;
Saingy tsy hay fafana , ny maha reniko anao .


09.09.24 Ny Andri - Fara
--------
Lien:
70 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148