FISARAHANA ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus (Ny Andri - Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FISARAHANA

Indray harivariva izay
Sendra irery tao an-trano .
Nisy embona tsy nahy ;
Nameno ilay fanahiko .

Nitamberina ilay nenina
Dia ny fiainako fahiny .
Teo anilan-jazavavy iray ;
Notolorako fitiavana .

Ianao ilay ninia
Nandratra izato foko !
Nefa ny fitiavako...,
Tsy miova hatramin'izao .

Iny lanitra iny
Mbola ho avy ka hitsara ;
Izay rehetra vitatsika !
Voaraikitra ho tantara .

Tadidiko ilay toky
Izay nomenao ahy taloha .
Eny , mbola nohajaiko ;
Noho ny fitiavako anao .

Eny! 'ty nofoko malemy
No hiandry anao any am-parany .
Ny fitiavako anao...;
Any ankoatra no andrasako .

Izay ilay hafatra apetrako
Fa ny teny homeko anao ,
Ny dina izay natao...;
Nahoana no nasianao fetrany ?!

Hisaraka isika noho ianao
Aoka tsy ho voton-dranomaso ;
Fa izao no sitrakao...,
Dia veloma no ataoko .

Iza! iza no nandrara
'lay fitiavako madio .
Ka nisalorako voaly mainty ,
Ho mariky ny alaheloko .

Ity foko mahonena
Izay mahantra sy mijaly ,
Fa tsarovy kosa hoy aho ;
Mbola hisy fanenenana .

Asa na mbola hisy
'lay fotoana mbola hihaonana ,
Mba ahafahako mamela...;
'ty helokao fahiny .

Androany anefa toa tsaroako
Ilay fiarahantsika niara-dia .
Isan'andro vaky izao...,
Teny am-pianaranao ?!

Eny...! eritreritra ny ahy
Eritreritra mangina ,
Eritreritro androany ;
Noho ilay ankason'olon-tiako .

Tsy ho ela intsony angamba
Ilay fotoana izay hodiako ,
Dia hilofika ny nofoko ( vatako ) ;
'ty vatako ( nofoko ) mahantra .

Tsy hilamina ny saiko
Tsy ho tony izato foko ;
Raha tsy ianao indray...,
No hiverina eo anilako .

Nefa rediredy ny ahy
F'efa izao no sitrakao .
Ka zakaiko samy irery...,
Noho ilay ditranao .

Kanefa izao no hiangaviako
Izay rehetra tsy nekena .
Dia aoka ho ahy irery ,
Fa efa izay no anjarako .

Aoka anefa ho fantatrao
F'izay rehetra alehanao ;
Hitantara izay natrehanao ,
Fa tiako ianao no lasa indray .


06.11.02 Raphaël Spartacus
--------
Lien:
46 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146