FANAHY TIA TENA (Ny Andrianary )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako hatrany hatrany 'lay prôfy malagasyrehefa injay aho ka manoratra mandray taratasy...
Fa hay tokoa ka mafy ny andevozin'ny fanahy!
Toy ny tromba lahy!
Ankisendrasendra, tsy ampoizinao iny no hiaviany
tampoka...
Tsy maintsy ianao manaiky,
fa kibay am-para hatoka
aza mafy,
rehefa ianao tsy mety!
Hianao raha te hatory
hamitsaka amin'ny alina,
Tsy asiany dika akory
fa "miarena" hono "miarina".
Ary ny ankehitriny no tena mba tsy tiako,
Mba andro fifaliana natokako hifaliako...
kanefa tonga izy,
ary tsy nanaiky mihitsy fa amboletrana betizy...
Ilay tiako anefa tany ho any,
efa sasa-niandry ilay fotoana hoe hampiaraka...
Mantsy aho tam'zany,
te hitsoaka koa fa tsy afaka e...
Inay aho mantsy ry 'lay fanahy adala,
Tsy nihavian'lahy, dia nahazo fahafahana...
Niezaka ihany aho niala
saingy hery efa lefy zary tsisy fahatanjahana...
Tsy tompon-tena intsony,
Toy ny mamona rongony,...
Tsaroako ankehitriny, tsy hoe angambangamba...
fa raha ianao aloha ny vady?
aleoko tokan-tena tsisy rirotra amin'ny sanga...
Ny Andrianary
2017
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
Andrianary2
