Ikala Maria (Ny Andrianary )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IKALA MARIAOrankorana madinidinika no mipatraka aty aminay
Na kely na be dia mavitrika miara-mitaona kitay,
Ikala Maria kosa anefa, irahan'ny kibony noana,
Tsy vady, tsy havana hitsetra dia aleony mikaroka foana.
Lasa iKala Maria, tena lasa izy telo mianaka
Anaty orana, miviavia, miaritra ireo kotro-baratra,
Ny zanany roa mianadahy trotroiny sy ataony atsangory,
Na ny aretin'ireo aza lahy, toa tsy mba nosaininy akory.
Olombelona toa ahy sy ianao ny mahantra toa azy rey olona
Aza jerena amin'izao fa ampio amin'ny ady sy tolona.
Na vavaka, vola na saina, izay antra mba foinao re
Tsy misy mahavidy e ny aina, mifanampy no zava-dehibe
Ny Andrianary
https://www.facebook.com/profile.php?id=61584453369515
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina - Fiainana
Fans:
Andrianary2
