Loza ity... (Ny Andrianary )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitaika moramora ao ambon'ity trano ny orana vaventyMitondra fakofako sy loto sesehena ity lakan-drano ity
Ilay jiafotsy sy fanitso aron'ity tafo moa rava vetivety
Ary tonga dibo-drano ny tanatiny rehetra, tratra ireo lovia.
fa inona ary ity? Inona daholo ireto zava-mitsingevana manerana ny trano?
Fofona tsy fofona, sy maloto avy aiza ireto nentin'ity rano?
Fa nahoana koa no lasa difotra ny fatana...
Andriakaky ô, ilay saosisy tsy nandramana, tsy hita ny vilany...
Mitsapatsapa ihany fa maloto indray no avy any...
(...)
Kiririoka tsy mijanona no re, sy antsoantso
misy zazakely very... fa mety lasan-drano...
(...)
Loza izany marina, tena hoa nidiran'andro
Rehefa hoe hanorin-trano dia aleo mba toerana avo.
Na koa mba manontany izay mba azo hanorenana
fa izao ity iray ny maloto sy fonenana.
Ny Andrianary
--------
Lien:
Fans:
Andrianary2
