Hiraiko mangina (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiraiko mangina

Tsy ho tsiniko angamba
Raha ny feon-kira ato anaty eritreritro no hidoladolana eny an-tsena
Ny mason-janak'olombelona efa hafa
Ka tsy mahafantatra ny mamy sy ngidin'ny tena.

Hiraiko mangina ato anaty tokoa
Ilay fitiavana tsy fantatrao fisiana
Tononiko, kaloiko, soritsoritako anaty an-dalan-tononkira koa
Satria, lavitry ny faminaniana

Hiraiko mangina ato anaty foko
Ny hoe tiako ianao na ela aza ny taona
Tsy foiko ianao, tena tsy foiko

Hataoko ren'izao tontolo izao anio
F'ianao iny olona iny no tondroina
Nataoko kalokalo, hirahira, nefa tsy tononina

Ny Hafatra RANDRIANTIANA, 20 Décembre 2019
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
312 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124