Lisi-pitiavana (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lisi-pitiavanaEo amin’ny sehatry ny fitiavana
Dia misy ny koto sy Kiala
Misy koa ny ambony sy ambany
Misy ihany koa ny vody sy vava
Ary koa fifaliana sy tomany
Tsy ny molotra rehetra no fanoroka
Tsy ny làlana rehetra no azo andehanana
Tsy ny lavaka rehetra no azo hitsofohana
Tsy isak'izay fy ihany koa no tokony andramana
Fa misy tarigetra ny fitiavana
Misy ny teny eo imolotra ngonongononina
Nefa, tsy izy rehetra no filaza
Misy fitiavana torontoronina
Dia fitiavana tsy hateza
Fa zara raha tody fiantefa
Misy ny trano azo ipetrahana
Misy ny olona azo vadina
Tsy ny ngeza vatana akory no tsara anaranana
Fa ianao sy ilay nahary no tompom-pifidianana
Ka aza manandrakandrana ndrao mivoy lakana tsy lera.
Ny fitiavana dia tsy teny fotsiny, fa asa sy fanoloran-tena, izay mitaky faharetana sy finoana.
Ary tsy ny molotra rehetra tompon'ny toky izay mitonona ho tia no tena misy fitia
Ka aoreno tsara ilay angady
Ny Hafatra RANDRIANTIANA, 20 Avril 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Ny Hafatra Randriantiana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Ny Hafatra RANDRIANTIANAInséré par : Ny Hafatra Randriantiana
Date : 20/04/2025 18:59
