Tazia (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazia

Tazia,
Ilay tsy tazany
Fa notazomiko tao anaty mangina,
Nangina dia nangina tokoa ny foko,
Tsy nitsahatra niaina azy.

Tazia,
Sarim-pahazazana tsy nisy tohiny,
Endrik’ilay tsy mety lefy tao anaty,
Na voasarika tamin’ny ora sy taona aza ny omaly.

Tazia,
Tsy anarako izy fa nataoko anaram-pitiavana,
Tsy tantarany aho, fa izaho no mpitantara azy.
Ka rehefa tsy tazany aho,
Dia izaho no mitahiry azy.

Tazia,
Fahatsiarovana tsy mba nangataka famaliana,
Fa nisafidy ny ho hiraiko mangina...

Tazia,
Ilay tsy tazany notazomiko,
Sarim-pahazazana, endrik’ilay tsy mety lefy ato am-poko.

Ny Hafatra RANDRIANTIANA
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Aingam-panahy - Fitiavana
228 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119