Voizo ry zalahy (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voizo ry zalahyVoizo ry zalahy ny lakantsika
Maika ny fotoana
Te ho tody izahay, te ho tafita
Anatrika ny ampita eo anoloana
Voizo ry zalahy ny lakantsika
Tsy vitsy koa ireo ho ratovina
Raiso ny fivoy, andao hiandriaka
Ny elanelan-tany tsy zoviana
Voizo ry zalahy ny lakantsika
Tody soa eny no tanjona
Omany ny dia, andao hiampita
Tsy misy andraso andraso manalokaloka
Mafonja ny fitompatompan'ny ria-drano
Koa miomana, mifahara ary koa mivonona
Mbola ho lava ny lalan'ny Madagasikara.
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Fiaraha-monina
Fans:
ZavonaRakoto
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Ny Hafatra RANDRIANTIANAInséré par : Ny Hafatra Randriantiana
Date : 28/03/2025 04:14
