Ao aminy (Ny Kanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao aminyTamin’ny fiainany
Sy tamin’ny fijeriny
No nahitako loharanon’
Ny fitia miboiboika
Tamin’ny anarany
Ny soa sy ny hatsarany
No nanaovam-belirano,
Fanekena tsy hilofika
Ao amin’ny Teniny
Sy ny fanoharany
No azo itarafana
Ilay fitia tsy mitomika
Ny miaraka aminy
Mandray ny fahasoavany
No itsiria’ny fahafahana
Ao anaty, hibaliaka.
Ny Kanto, 10/02/05, Parisy.
--------
Lien:
Catégorie :
Vavaka
Fans:
Arimalala