Avia (Ny Kanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avia manantona,Fa efa nohadinoko
Ireo lesoka rehetra
Ary aza mba mifona
Satria mahari-pery
Ilay fitia nomaniko
Hatrizay tsy misy fetra
…
Ho anao tsy misy fetra
Fa mangidy ny tantely
Raha ianao no tsy eo.
Mijanona ny fiainako
Raha vao ilaozanao.
Ny foko tsy ahy intsony
Mamoa fitia tsy leo,
Mitempo any aminao.
…
Mifaningotra aminao
Ho tiako foana ianao.
Avia fa holalaiko.
Ka ny fara fofon’aiko
No hametra ny fitiavako
Fa tsy izay vita omaly
Eny, tena nampijaly
No handavako ny sitrako
…
Avia hanala koa ny tahotro
Ny Kanto. Desambra 1999
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
bichette
(
12/08/2004 14:21)
mampite hindramina ny tononkalonao, tsy angalarina akory a ! hi hi hi
NyKanto
(
12/08/2004 16:02)
Azonao adika malalaka tsara, izay anie ny antony hiseraserana eto fa aza adino fotsiny ny mpanoratra.
Ary maninona moa raha hindramina dia asiana feony, dia kaloina ... hum! mety tena tsara an!
Miandry ilay feony sy ilay mpihira.
Avia!!!!
Ny Kanto.
Ary maninona moa raha hindramina dia asiana feony, dia kaloina ... hum! mety tena tsara an!
Miandry ilay feony sy ilay mpihira.
Avia!!!!
Ny Kanto.
Oully
(
12/08/2004 19:31)
Zà ve mahazo mihira sy manao tsianjery? Sa mihinan-kanina ihany? 😊
Ao fa hiezaka aho eh !!!
Ao fa hiezaka aho eh !!!
NyKanto
(
13/08/2004 08:02)
Arahaba soa arahaba tsara! tsy miandry afa-tsy ny fandraisanao anjara!!! ... ilay faniriana hiezaka koa deraiko satria mahatsara feo hono izany 😊,
NyKanto
NyKanto