Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ilay zaridaina (Ny Kanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay ZaridainaTeto aho no nandalo
Nisento nitomany
Nitady fanavaozana
Niandry lohataoana
Hibanjina hatsarana
Hanadino sy hamalona
Hikosoka ny lasa
…
Nantenaiko izany
Hanolatra ny fery
Hamafa ny tomany
Hanasitrana fijery
Nentiko eto ho sitranina
Mba hahitako fifaliana
Hiainako ilay fitsaharana
…
Toa lasa fitahiana
Ny hatsiakan’ny ririnina
Nanamaloka ny saha
Sy ireo voninkazo sahy
Nihomehy ny foko
Malahelo mitaraina
Lavo teto an-jaridaina
Ny Kanto. Lavo. Agropolis, 25 febroary, 11h54
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
