Ndao hamorona (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba atongilano kely hoe ny sofinao Ramalagasy
Inty ny tsetsatsetra tsy aritro, maniry mba hitafa:
- F’efa lasa faharazaranao va re
Ny mitanisa fahoriana marobe ?

F’aiza izay natao hisakanana an’izany ?
Toa ‘zay manao ihany no finganina ho lavo
Sady arahin’eson-teny : “ Efa hevitro izany”
Ny tsy nahavita indray no tsy faly, no tsy ravo



Ndao avela “ny alahelo olona tafita,
Ny ory hava-manana, ny mialona ny vita”.
Fa tena hiara-hikatsaka ny tsara sy ny soa
“Tsy maintsy ho tafarina” no masahana ao an-doha

Ndao hamorona isika, hiara-hiezaka hikaroka
Ny fahalalana koa velomy, ampiasaina tsy ho vasoka.
Enjeho ireo hevitra rehetra, tontosao ho zava-bita
Amin’izay i Gasikara, hisongadina sy ho hita

Mifohaza re ianao !!! tena ialao ny torimaso
Ny ‘moramora’ ovao ho ‘tsy misy andraso andraso’
Ireo sakana rehetra, raiso ireny ho fanoitra
Dia tsy kivy fa rahampitso, hisy andro mibaliaka.

Ny Kanto. Seranam-piaramanidina Roissy Charles de Gaulle. 2004-09-16.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1199 0
Hevitra mandeha
andriary ( 16/09/2004 12:21)
...tsy maintsy ho tafarina isika ary efa mifoha!Ny eto an-toerana manao izay azo atao,'nareo any ivelany tsy miraviravy tanana....dia handroso 'Gasikara!misaotra ry Kanto a!
andriary ( 16/09/2004 12:21)
...tsy maintsy ho tafarina isika ary efa mifoha!Ny eto an-toerana manao izay azo atao,'nareo any ivelany tsy miraviravy tanana....dia handroso 'Gasikara!misaotra ry Kanto a!
bichette ( 17/09/2004 07:30)
Lasa izao !!!!!!!!!!
yonikafopl ( 24/09/2004 14:01)
lasa zao raha tsy mibolisatra indray
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 16/09/2004 09:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014