Ny itiavako anao (Ny Kanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ity dia nosoratan'i Ny Eja sy Ny Kanto miaraka. Isaorako manokana eto i Ny Eja....Ny itiavako anao
Tsy hoe gadram-pitia
Fa tanjoko tao anaty tao
Ny hifatotra hiraiki-pitia
Hanorina ho doria
Tsy rendrarendra te hiseho
Fa fitia lalina miorim-paka
Na toky mety mankaleo
Sahy misedra izay te haka
Ny itiavako anao
Tsy ny lasa na ny ho anio ihany
Fa ny voady izay atao
Mety hatrany ankoatra any
Ny Eja, Ny Kanto
--------
Lien: