Tsy manan-kialofana (Ny Kanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sezan-jaridaina vita hazo, mamanalaIo no antenaina, hanofisana malala
Eo an-kalamanjana eo no fatoriana
Sy nataony mazàna fiaingan’ny ny faniriana
Sezan-jaridaina itangoronam-boron-kely
Mpamoha isa-maraina sy mpamerin-tsiky very
Eo no itazanana ireo mpandalo marobe
Manenjika ny fiainana, tsy sasatra mandeha
Eo izy no mihira ireo kalon’ny fahiny
Izay mamiravira ny fony ankehitriny
Nihafihany teo daholo, na oran-dohataona
Na fanala manangoly sy alina misaona
Nifaliany teo tokoa ireo vonimanitra nilatsaka
Tamin’ny alin-diavolana, fotsy sy mangatsakatsaka
Sezan-jaridaina hany mba fananana
Eo no ialan’ny aina efa ambivitra sy ana
An-tsezan-jaridaina teo izy no natory
Tsy mba nitaraina ary tsy nifoha intsony.
Ny Kanto, janoary 2005. Ilay tsy manan-kialofana.
--------
Lien:
Catégorie :
fiainana
Commentaires
bichette
(
24/01/2005 09:35)
ndry ! mampalahelo be tokoa e