Voalohany (Ny Kanto)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voalohany androany,
No nahitako anao
Dia nanomboka nirandrana
Mihaingo hoanao ny fitiavako
Satria te-hisarika foana
Raha vao ianao no anoloana

Voalohany androany,
No niresahantsika
Dia ireo teny tsy hita isa
Nangoniko hatry ny ela
No ho rontsoniko ho anao
Nefa izao dia menatra aho

Voalohany androany,
No nifanomezana fotoana
Dia tsy andriko intsony
Ny andro iray toa lasa taona
Ny iray minitra e toa babangoana
Sasa-miandry f’efa te- hihaona

Voalohany androany,
No nahafantaranao ahy
Dia ilay fitia sesehena
Indray mandeha sahiko nomena
Nankafizintsika izany
Satria voalohany tena mamy!

Voalohany androany,
No niantsoako anao malala
Satria nifankahalala
Sy nahay nifampizara
Fitia mihavao hatrany hatrany
Dia finaritra aho androany!

Ny Kanto, Voalohany. Institut Pasteur 13h55, 2004-06-03.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1419 2
Fans: tsotra1 - nyeja
Commentaires
nyeja ( 04/09/2004 05:38)
voalohany koa androany no nahitako ity sanganasanao ity ka mendrika azy ny isa tsara ilay efa voavinavinanao! tsara ry ny kanto a dia mahereza manoratra hatrany an! hoy ilay namanao Ny Eja
bichette ( 17/09/2004 07:43)
Enga anie fa hisy ny ho avy izao hiantsoanao azy "malala" ary tsy ho andry ny hifankahitana sy ny hiresahana sns.....

Voalohany fa mbola hitohy ..... raha sitrapony .....
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0143