Zara-hetran'ny olo-miaina (Ny Kanto)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any lavitra any...

Ny rojom-pifalian’ilay
Mpianakavy kely iray
No rava sy niraraka,
Kofehy mando* no tinapaka.

Rofin’ny fiainana,
Zara-hetran’ny olo-miaina
Sy mampitondra ny taraina
Ny fahafatesana.

Mampipetraka torovana,
Ka tsy te-handroso intsony,
Lohasaha tsy mampitony,
No voatery ho lalovana.

Fa na maizin-kitroka ny jaly
Dia misy vaovao, mahafaly
Hampitsahatra tomany.

Tsy ho faty, hanafàna
Ny toky sy fanantenana :
Mbola hihaona, any an-koatra any.

Ny Kanto. Pont au change. Desambra 2004.

Kofehy mando : andry.
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1143 1
Fans: Arimalala
Commentaires
andriary ( 28/12/2004 08:48)
nipoitra ara-potoana lay tonokalo!
saro-takarina indraindray!!!!merci!
tsy ho ela ny sangan'asanay sy R.JO e!
vetsoko ( 29/12/2004 19:47)
nefa dia tsy maintsy lalovana rafahafatesana!mahasosotra e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152