Any lavitra any (Panarato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rediredy, sangisangy
No ho entiko mamangy
Anao any lavitra any
Handresy ny elan’elan-tany

Ny sain-tsika hifandray
Hifanaraka hatrany
Ho doria mandrakizay
Hasambarana tsy lany

Eny babonao ny foko
Arahin-tseto sy toloko
Fitiavana tsy miova loko
Ianao vilany izaho toko

Mangetaheta omeko rano
Sepotra omeko rivotra
Ny masonao manganohano
Hofafako tsy ho difotra

Hiravoravo sy ho faly
Ny fitiavana no kaly
Sopitra hitahiry
Fanantenana vao mitsiry

Enga anie mba hanana elatra
Ny fitiavako mivelatra
Te-hiantsapy aminao
Marina fa tsy kilalao

Vinay sy vetsom-pitia
Alefako an-tarobia
Hilatsaka an-tsaina, ho mby anaty
Fitia velona tsy ho faty

Embonembona sy hanina
No alefaso ho ahy raha manina
Dia ho avy eo anilanao
Panarato olom-bao.
Panarato 29/11/2013
--------
Rohy:
2022 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Panarato
Nampiditra : panarato
Daty : 29/11/2013 16:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139