Fitia ritra (Panarato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahatsiarovana no sisa
Hitantara, hitanisa
Fiaraha-dia niriaria
Fony mbola nifankatia

Fitiavana toa tsy ho rava
Fa haharitra mandrakizay
Nantenaina hampisava
Ny adin-tsaina mahamay

Tena fitia nifamaly
Nampitsiky nampiray
Ankehitriny mampijaly
Fikasana tsy tafaray

Fitiavana tsy teo amolotra
Lalimpaka makadiry
Fanantenana tsara tolotra
Nefa rava tsy hitsiry

Nataoko ny rehetraretra
Mba hampody ilay fitia
Hay napoakanao ny fetra
Fisarahana ho doria

Aoka ny ho avy no hitsara
Tsy araha-tsiny, tsy arahi-tody
Izaho koa tsy ho lany zara
Fa toy ny vero taigenam-pody

Panarato 4/10/2013
--------
Rohy:
1107 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Panarato
Nampiditra : panarato
Daty : 04/10/2013 07:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014