Fitiavana ihany (Panarato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any andro, any taona
Izaho sy ianao mbola hihaona
Hiara-dia, hiriaria
Hirevy sy hifankatia

Hihaona ny tia sy ny manina
Fitia maditra sy tsy ferana
Tsy miova, tsy nangalarina
Tsy handalo, tsy hiserana

Babonao tokoa ny foko
Arahin-tsento sy toloko
Fitiavana tsy miovza loko
Ianao vilany, izaho toko

Hiravoravo sy ho faly
Ny fitiavana no kaly
Sopitra hitahiry
Fanantenana vao mitsiry

Enga anie ka hanana elatra
Ny fitiavako mivelatra
Te-hiantsampy aminao
Marina fa tsy kilalao

Ny mason-tsika hiandrandra
Lanitra manga dia manga
Masoandro soa mibaliaka
Fahasoavana ho antsika

Ny fara-vodilanitra
Sanatria tsy ho fetra
Eo koa andriamanitra
Hitahy antsika rehetraretra

Haharitra mandrakizay
Ny fo roa ho, lasa iray
Hibanjina alavitra any
Hasambarana tsy lany

Embonembona sy hanina
No alefaso ho ahy raha manina
Ho avy eo anilanao
Panarato olom-bao

Panarato 15/08/2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1454 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Panarato
Nampiditra : panarato
Daty : 15/08/2013 08:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094