TIAKO IANAO (RA Freddy Jn)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao, nefa tsy iteny izany ahoFa koboniko ato anaty tsy ho itanao
Satria mety ho sarotra ny valinteninao
Ka aleko hiafina mangina anatiko ao
Tiako ianao saingy tsy omeko mazava
fa aleoko hikimpina na dia tsy hisava
ary tsy hambarako aminao lanadava
Fa any anatiko ao miantsoantso lava
Tiako ianao nefa aleoko mitandrina
fa tsy aiko zay hiseho amin'ny ho avy
Tiako ianao fa na izany aza aleko lavina
Tiako ianao fa tsy aiko anefa ny miangavy
RA Freddy Jn
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana