Efa ela (Rado andrianiaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
efa ela anie ry tina
efa ela no nangina
efa ela no niafy
efa ela nisy rafy

efa ela saingy indrisy
ny fiovana toa tsy misy
efa ela efa ela
no nanaja fanekena

efa ela hatramin'izao
ny nandeferako aminao
tsy notsiniko angamba
fa ny foko no efa jamba

nitia anao hatramin'izay
satria nanaiky ny ho iray
saingy ianao no tsy nanaja
ka raha hifarana aza gaga

RADO ANDRIANIAINA 12-10-15
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1041 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014