Lozanao rafahafatesana (RalMich)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba valio aho hoe hankaiza
Ilay vadiny aman-janany ?
Izy mpiahy sy mpitaiza
no nalainao teo antanany !

Ny ray sy reniny banjino,
osa vatana, ontsa fo !
Mahita maso fa tsy mino,
tsy manaiky izay manjo.

Ary izahay fianakaviany e !
Sy 'reo namany rehetra !
Raha ny tianay sy ny tiany,
dia ny hiaraka hitoetra.

Tonga ianao nivatravatra,
tsy nijery taona akory.
Nampianjera ka nandratra,
resy izy dia natory.

RalMich
Antananarivo, 17/02/2022
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
32 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RalMich
Inséré par : ralmich
Date : 30/06/2026 03:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112