Ampidiro aloha ny tenimiafina
METY VE? (SANTATRA RAFENOMANANTSOA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety ve ry Andriamanitraraha mangalatra ny tenako?
dia hanasoavako 'reo mahantra
'reo volabe sy 'reo harenako
.
Azo tamin'ny tsy rariny
nefa koa mba nangalariny
koa mba valio re ry tompo
ny momba ilay raharaha maloto
.
Dia 'reo hare-maloto etoana
no entina ampandrosoana
'reo mahantra mivavaka
.
Nefa miaina anaty lavaka
izany volabe izany
dia omena anao ihany
rehefa voavonjy 'reo zay ory
.
Ry Andriamanitra ao ambony
koa mety ve sa tsy mety?
mba valio vetivety
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : SANTATRA RAFENOMANANTSOAInséré par : ramandrongony.anhabakabaka
Date : 26/11/2018 15:28
