"Ny Andriamanintsika" (Ramiadanarivo fetraniaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny ny Andriamanitsika Dia mitsinjo ireo zanany
Izy mitoetra anantintsika
Ka mikolo ny fananany
....
Andriamanitra tsitoha
Manampy hilanja izay tsy zaka
Raha mitanondrika ny loha
Vonona izy hampitraka
....
Eny re ry namana
Ilay Andriamanitra nahary
Dia maninji-tanana
Hahasoa ny zava-boaary
....
Fa sambatra aok'izany
Izay mitoky Aminy
Raha marary ka tomany
Amin'ny heriny sitraniny
....
Izy ilay mahery anie ambony
Manan-kery,voninahitra
Izay manompo azy tony
Toy ny bozaka sy ny ahitra
....
Fa tsara loatra ianao ry Tompo
Ka mendrika isaoranay
Izay mijoro ho mpanompo
Ho anilanao mandrakizay
....
30/12/15
08h31
--------
Lien:
Catégorie :
Tontolo iainana - Kolontsaina - Fifaliana - Hanina - Malalaka - manokana - tantara - Ady - Namana - Fampaherezana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Ramiadanarivo fetraniainaInséré par : ulquiorrafetraniaina
Date : 30/12/2015 07:55