"Ny mpivaro-tena" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....
Ny hany safidin'ny mpivaro-tena
Dia ny hijorojoro miandry ny lahy
Fa anontaniana sy jerijerena
Ny hahazo vola no atao mampanahy
....
Fa amin'ireny dia misy mitady
Asa madio natao hivelomana
Mampiharihary ny mamoafady
Raha tonga ny hariva dia rafitra miomana
....
Tsy manan-tsafidy ny mpivaro-tena
Ka ny manaja tena dia indro naatony
Ny tenany zary ho tolotra omena
Ilay vatana tsara no indro nalafony
....
Mivaro-tena noho ny fahantrana
Tsy maintsy nataony na tsy sitra-po
Mitady fivoahana na norarana
No mba fahafinaretan'ny nofo ho lo
....
Misy amin'ireny anie no voatery
Nanolo-tena ho vavin'ny hariva
Tena sahirana mahatsiaro very
Ireo tovovovavin'ny faritra iva
....
Toa zary mizara ny fahafinaretana
Ireo tovovavy izay mivaro-tena
Ny hatsiakan'ny alina no iaretana
Miafy mijoro toa mampahonena
....
Asa tsy haiko ny hevitrareo
Momba itony olona mivaro-tena
Mijoro foana na dia mitoreo
Noho ny tadin'ny fiainana 'zay mampitrena
....
Koa ndeha ho tolorana ny fanampiana
Ho simban'aretina ireo no hiafarany
Ndeha ho volena ireny hafaliana
Fa sao adinina amintsika ny rany
....
Ny mivaro-tena dia tsy sitrapony
Fa na ny atokona mila tsy ho hitany
K'injao misy feo mandona ny fony
Handinika foana 'reo zavatra vitany
Fetraniaina
15/01/16
--------
Rohy:
2405 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102