"Ontsa" (Ramiadanarivo fetraniaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahereza zandryFa na ory lava ianao
Dia ny mba ataovy andry
Re ny Tompo ambony ao
....
Hampahery anao hatrany
Hampitsaha-dranomaso
Hampitsahatra tomany
Hampitsahatra ny ankaso
....
Fa ianao ry zandry tiako
Mendrika ho tiavinay
Ary ny mba faniriako
Ianao mitoetra an-tranonay
....
Atsaharo ny tomany
O ry zandriko malala
'Zay tsy hanadino izany
Fa mijoro ho mahalala
....
Sy mahatsapa ihany koa
Izato fijalianao
Ka te hanolotra ny soa
Hahasambatra anao
....
Mendrika ho hajaina
Sy ho tiavina ianao
O ry zandry mitaraina
Mangata-poana lava izao
....
Ka mitonia ianao razandry
F'izahay hitsinjo anao
Ka ny sainay dia tsy mandry
Mihevitra isan'andro izao
....
Izay mba anjara ho avinao
Hanao ahoana ny fivoarany?
Izay rehetra tiavinao
Mba fantaro ny tantarany
....
O ry zandry matokia
F'a ianao dia ho tsimbiniko
Ho tolorako fitia
Manantona ho fihiniko
Fetraniaina
14/01/16
--------
Lien:
Catégorie :
Namana - Fampaherezana - Fahatsiarovana - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
ulquiorrafetraniaina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Ramiadanarivo fetraniainaInséré par : ulquiorrafetraniaina
Date : 14/01/2016 02:29