Ny zanako (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Harena sarobidy ho ahy
ny zanako sy ny taranako
beazina ara-tsaina, indrindra ny ara-panahy
handimby ahy, hitondra ny anarako

Tolorako aina, omeko fitiavana
hanariko izy ho tonga olom-banona
hahay miaina, hanaja havana
hisandratra avo tsy ankijanona

Ny ahy tsy mba zanaka tsy niriana
ka ndeha hatao ankilabao
io no anjarako dia omeko hafaliana
ny efa taman-trano tsy hasolo vaovao

Io zanako io no andriko rahatrizay
mendrika ho tiavina sy ho tohanana
mba hanandratra avo ny fianakavianay
hampitombo ireo harena sy fananana
--------
Lien:
20 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Randja
Inséré par : voady
Date : 11/09/2026 11:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012