Honjohonjoko... (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... ka dia tsy nahasoratra aho raha tsy taraina.
tsy nahatsiaro raha tsy hirifiry!
ny feom-baliha nandao ny sofiko,
moa ny nofy mihiratra mbola tsy fantatro...
na haiko ihany saingy tsy tsikaritro .
lay voninkazo manim-pofona.
fitondrako oroka maraina,
nanintsan-dravina avokoa .
dada tsy hita hizaran-talaho,
neny moa, efa lasana nandeha .
ny havan-tiana tsy nipaika haody ,
ny hafa manontany ny ory ...
tsy hainy mitsy akory aza,
...fa maty maso reo nasosoka!
na ny rivotra nofohina,
na ny tany zay nodiavina
eny na ny rako mikoriana,
toa ndray nitory alahelo .
f'izaho sy ny vetso adalako,
miredy anivon-tany karakaina,
karainkona, ozona, alahelo ...
ndray mavesatra am-babeko .
ka ho alefako aiza ny eritreritro ?
fa na izao rehetra zao vinany,
toa rakon-tsento avokoa .
hatrany amparam-piheverana,
tsy misy anjara tsiahy intsony,
antonona ny dradradradrako .
dia miherin-kiry ho fionanana,
ilay sioka tokana aman-taniko,
fimaody mba ho ela velona,
ndrao tsy taka-toram-pamelana,
ty tontolo ngazana honjohonjoko .
de mitsako dilatra ho mpisampina,
noho ny herisetra ?... tsia! fa hasomparana .
angamba!...sa anjara mba tandrify,
na lahatra tsy hay tohaina,
ka sady tanana no tsiahivina ?
toy ny rano mikoriana,
reny tsy mba mahay miverin-dàlana,
anganonao ry tany mamiko ...
R.J.O.
--------
Rohy:
2910 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 22/12/2005 16:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131