Manga...na! (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
itony zao no inona ?
zaroa moa no ahoana ?
itsy zany lahy ...
toa mampiahiahy ...
ny amin'zato fihetsiny!
izay rehetra tazana,
de samy mihodikodina.
mikatsaka fivoaha.
iretsy kosa ho aho...
mitrongy ambany midina?
tsia! fa tsy sitram-pony
ny làlana ombany,
ianao no mieritreritra
fa midina izy zany!
ny filaminan-tsainy,
de tsy ho tapaka ny harapaka.
izany foana foana no ...
fandaniany ny andro!
ka... tsy misy afa-tsy zay
no adiny isanandro.
tsy hafa tsy ho resahako
tsy oe tsy mbola hitako
fa angamba tsy ho takatra.
dia eny antsefatsefany eny ...
misy koa andian-jaly,
antokon'olo-miory,
mifandiso lava,
amin'ny mpiahy azy.
ary odiana tsy hay,
ny tolon-ady hatreheny,
kanefa anie de andry!
reroa zaza manga...
manga am-piaretana,
manga am-pilazana,
manga am-panofisana,
mangana eritreritra,
sy mangana ao anaty .
fa nisaina ny ho afaka,
nosainina ho ilo,
ho endriky ny voatra.
kanefa ankehitriny,
zefatry ny tenany,
jaly ho an'ny hafa,
nanovo hahalala,
namantatra ny tsy hay,
nanaram-pandrosoana,
ho antoky ny ho avy.
jereo ny niafarany,
miady amin'ny kibony,
adino antenantenany,
tsy fantatry ny ambony,
tahoran'ny ambany,
dia mihodikodina ihany koa ...
raha manao adisanina,
ny zotra nolalovany,
zay tsy navela hisy andalo,
na ho verivery foana,
fa tovo, hay, ry lala,
izay no tao an-doha,
indrisy anefa izao,
fa izy sy ny sainy,
izy sy ny hainy,
ary izy sy ny fantany!
mifi-dranomaso,
fa tsy araky ny jaly,
ny fy izay nandrandraina .
dia isa tsy mitovy,
no vozonana ampiadiana,
atao fampitaha ...
ny mangan'ireo ngeza,
sy ny manga matro-bolo.
olo-manga, zaza manga,
hisalorana imolotra,
fa saingy latsa ao am-po.
satria rehefa mangana,
hatramin'zao de mbola mangana,
mandrakizay ho mangana...
verinao ry tany mamiko,
asa lozanao vintana,
fa tsy mety miantraika,
ny hoe:arena ny fahaizana.
sy zay mety fahamarinany.
mpitolona azo sambo-belona,
ka tarihina entina fa babo.
de miaiky resy : fa hitraka!
RJO
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1835 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 13/08/2006 12:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144