Ngerok'hirik'ila. (randria)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa tsy fantatra intsony ny fiafaran'ity...
fidolingim-piainana, tsy mahay mandefitra
manano sesi-montotra amin'ny fanenjehan-dresy...

tsy hita ho saintsainina ny dinitra niraraka
nanamando tany dia ny kaikitry ny aina
he mana-be voho reo afam-pahoriana...

Eny mafy koa raha mafy ny mivandravandra
ny ngaly manantena mitanatana vava
hoe : io tsy azo laizina ny tavana niaretana...

hatreo tazomin-tsento fa fongana ny hisy
ka tsisy afa tsy misy dia jaly tsy mifetra
hatrany amparavazan'ny tsy hay polipolorina...

dia maminany foana ny hateraky ny ampitso
zay fantatra fa ngeroka tsy tantin'ny mpivetso
miaraka miory mamindro an-takariva...

Ary eo mipololoitra tsy tazona kobonina
ny redy latsa-paka hiandrasana maraina
sy ny taratra manjepin'ireo zay resy tosika...

Hampanontany tena ny tokonam-baravaran'
ny mpiandry zay anjara hirotsaka hanasitrana
ty fery miombonana kanefa hoe : hivitrana...

Mba azonao vinany ny tsiry te hivoitra
manenjana ny vata manontolo, de hika tsy voavoka
hanohitra he fa tsy afaka de loha no mihivingivina?...

Maso vonton-drano fa tsy fantatra intsony
ny setroka tomany fa manao dia roa ny ngeroka sy ngidy
miafitra ao ambadiky ny voalin-tsiky valaka...

Fa mbola ho dradraina ny loha rehetra mihivina
sy ny maso zay mikipy no samy haantona eo
hampirangaranga ny lalàn'ny mahery...

Hiantsona ny tany sy ny fandaharana azy
lazaina tsy hanampetra kanefa manan-tompo
hampanoa fehy ambony fahalalana de handidy zay atao...

ka eo ny manan'aina hamaly fiampangana dita
satria haanty an-tànany avy ny dinitry ny lasa
nitondra azy hiafy ny kaoka-fara-fiaretana...

Dia ho hana ny tontolo indray misanasana
mivava hirik'ila ny sainy kolokolo
ka jihitry ny jijy mifamono feo no ho re mitoreo...


njay ny nenina ho foana, ny tsiky hisy hamiratra
fa mialo eo daholo ny halaviram-ben'ny lasa sy ny ho avy
ka sento no tsy fidiny... lasa ka tsy tana...

ka... ny ngidy hiova tsiro hahifaky ny misy
antsa amboara no hiredona handatsa-paka ireo konaina
ary mino aho fa ihany ... fa mbola ho avy ilay maraina.

Ilay ampitso... andrandraina!...

R.J.O.
--------
Rohy:
1881 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 21/07/2005 22:37
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107