Tsy tamana (Randriatsitohaina Lameric)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tamana

Raha nandinika aho
Dia tsapako avy hatrany
Fa amin'izao fotoana izao
Raha maty aho tsy misy mpitomany

Tsy hilaiko anefa izany
Fa alala ambany tany
Dia ny tiako ho renao androany
Raha maty aho ianao tsy tiako hitomany

Raha maty aho ataovy hoe : "mamy."
Fa ny vatako aleveno ambany.
Fifaliana fa tsy fahoriana izany.
Ny fanahiko ho any an-danitra any.

Izaho tsy atao hoe : " Maty."
Fa lazaina hoe :" Tsy tamana."
Raha havadika aho tsy mahatanty.
Fa mampiova mari-pana.

Tsy mila voninkazo;
Rehefa tsy tamana.
Fa ny fakan-kazo;
Haniry tsy ho tana.

Iny rahona iny;
No lalana ho lalovako.
Hampiray ireo vahiny
Fa ho mirana ny tavako.

D. zay
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana - ahy - fiainana - Aingam-panahy
1040 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149