Tsy foy (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ianao no safidy hatrizay
niaraha-miana, niaraha-mitoetra
nahazatra ahy ianao, efa hay
tsara bika tokoa, mamiko toetra

Na mafy aza ny onjam-piainana
nosedraintsikaroa hatramin'izao
tebiteby lava, mikontana ny fisainana
na nisy izany, tsy foiko ianao

Teo ny androm-pifaliana, tena mamiko indrindra
niarahana nanatrika, samy nankafy
izaho sy ianao iray lalana, niaraka namindra
nizara ny soa sy ny mamy, nifanolotra fitia

Na ny mafy indrindra aza no miseho
hiafiko fa tiako loatra ianao
izaho efa nivonona ho anao rahateo
satria mamiko ny fiarahana toy izao
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina - Fiainana - Fitiavana
22 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Randja
Inséré par : voady
Date : 15/06/2026 09:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0131