Rabehevitra (Ranoala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fantsika maranitranefa misy dombo koa
misy olona finaritra
ny alika mivovoa
Samy ao ala-trano
no ahitanao azy ireo
ngamba ianao hanotany
hoe maninona ireo?
Misy tokotany ao
tsisy paiso mamelana
Mpandrafitra ilay ao
mamboatra ny ao ivelany
Ilay toto tsy ahy
fa an'i ketak(a) etsy ampita
Izy mahafinaritr(a) ahy
f(a) (i)lay kozy tsy tafita
Saika hanao tatezana aho
hitsoriahako amin('ny) al(in)a
indrisy fihomehezany
izay no mba navaliny
Dia noranitiko ny fantsika
(i)reo noheverina ho dombo
nakako ilay mpandrafitra
haneo fitia voa-hombo
Nitsikilo ambaravarakely
an'ilay dadan'ilay zafy
i raneniny sy mozely
toy ireny any andafy
Ohatrany hitako ho tsara
ny ao anatiko mientana
Toa hanaiky ihany izy...
22 Marsta 2018
--------
Lien:
Catégorie :
vazivazy - Malalaka - tantara - Hambom-po - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana