Saraka (Ra'Ony)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa maina ilay raozy nokoloina
mba handravaka ny mombatsika
nivalana tanteraka lay hira nokaloina...
Lay fitiavana lalaina efa nangatsika...


Ra hiverenana ny lasa moa hisy hino
ilay dina nokinasa hoe rahatrizay
anefa ankehitriny foana sy adino
voafetra ilay hoe mandrakizay

Ngamba hoa aky ra toa ka visaina
ireo anaram-bositra nomena antsika
toa mamy ny mihaino... kanefa re ry aina
singotra izy, dia tavela sy nivika...

Fa nisy fetra farany tsy azo nodikaina
nametra ilay dina, nanakana ny dia
ankehitriny irery sy mangaina
saraka tsy nahy ilay fo mba tena tia...
--------
Lien:
Catégorie : Hanina - Fisarahana - Alahelo - Fitiavana
1053 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014